NY HAFATR'i SITLO ANDRIA 
Tanterao an-tSORATRA ireo NOFY MAMY!Manoratà TANTARA, mametrà hoavy tsara antoka.
DIAPENINA ho an’ny REHETRA vonona hitondra FAMPANDROSOANA MAHARITRA
avy amin’ireo ASA SORATRA sy ny FAMPITAOVANA ARA-TEKNOLOJIKA!
[…]Ny marina mitavozavoza hono tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra.
Kanefa, ny didy sy lahatra kosa an' Andriamanitra.
Ary ireo may vava matetika sy ireo be-lazao no milavo lefona avy hatrany.
Mailaka, kinga erỳ izy ireo mivarotra, mampiasa ny fahaizany amin’ny vavany.
Nefa izy ireo vetivety dia mitaraina tana-miepaka,
mpanisy sira, mpanenjika tsy mba mpanatanteraka.
Indrisy misy ny sasany anefa no mihevitra fa ireo “minia tsy miteny”
na koa ireo “tsy mahay miteny”
dia miavonavona, matikambo miseho “vedety”,
osa, matahotra, votsa-saina, marary…
midorororo na koa hoe…aaa…taraiky?
Kanefa izy ireo dia Marani-tsaina be, Mpanofy Goavana Hanidina Indray Androany,
Mpanoratra Tantara, ary Mpanatanteraka Avolenta.
Ny teny diso tsy mba kabary, kabary tsy valiana.
Tsy ho be tati-bolana, halaviro ny “hagegena”
satria izay mangina volamena.
Manao resa-be sy kabary tsara lahatra ambony vavahady?
Izay angamba ny famintinako azy. Mitohy ny ady!
Tompoko ô! Miala tsiny aho, manao azafady.
Ny vava tsy mba lefoko sy ampingako hampisehoko ny fahakingako…
entina handaingana, hifosafosaina olona;
ireo havako sy ireo namako.
“Ny teny aloaky ny vava dia mahefa zavatra maro (na tsara na ratsy);
fa ny Tenin’Andriamanitra manome fahatoniana sy Aina.”
Hianatra sa hanova fijery ve? Andao ary aloha manoratra izay vao miteny e!
Hiezaka hanatsara rafitra amin’ireo asa-soratra.
Tsy hirehareha, tsy hanao zavatra mahatalanjona fa hanatratra tanjona iraisana.
Zavatra tsara kalitao no atao.
Tsy hanome lesona, fa hanarona ireo lesoka.
Mahaiza ary mamaky tsara, mahaiza mamakafaka, mandinika
hamantarana ny dikany marina,
mahaiza mitsara tena... Tapao ary ny hevitra!
Fandrao ho ringana na koa hoe "lany tamingana"?
Amin’ny alalan’ny soratra, manaova dingana
ahafahana manatanteraka asa nokasaina sy teny voahevitra.
Ary soa lavo hahay mamindra e! ☺
Harao an-tSoratra am-Pitsikiana, an’Kira, ampiadiana Rima, Ohabolana sy Hatsikana,
amin’ny Fitiavana, amin’ny Finoana ny Hasasarana.
Ho tsapanao ny Hasambarana.
Atambaro Miaraka ireo, ho lasa Hery iray Mampandroso
ary mikatsà hatrany manao Soa.
Amin’ny asa, mandrosoa!
Dia ho lasa lavitra sy ho lavorary ianao sy ny ankohonanao.
Ho tanterahana an-tsoratra, an-tsary, hanatsara sy hampitombo ny famokarana
amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana "teknolojika".
… na mandalo zava-tsarotra ireo nofy mamy!
Manoratà aloha tantara, mametrà ho avy mamiratra.
Ho Anao Ry Madagasikara, Tanindrazanay Malala.
SitLo Andria - Andrianifahanana Sitraka F. Loïc
